EVANJELY ANIO
EVANJELY ANIO
Talata 8 Septambra : Bokin'i Mikea 5,1-4a. 
<description><![CDATA[Ary hianao, ry Betleema Efrata, kely tsy tokony ho isan'ireo arivon'i Jodà akory, avy aminao no hivoaka ho ahy ilay tsy maintsy ho Mpanapaka amin'Israely, ary ny niandohany dia efa hatramin'ny andro fahagola, hatramin'ny andro mandrakizay.
Koa noho izany, dia hanolotra an'ireny izy mandra-pihavin'ny fotoana hiterahan'ilay tsy maintsy miteraka; ary ny sisa amin'ireo rahalahiny dia hiverina amin'ny zanak'Israely.
Ho mafy fijoro izy, ka hiandry ny ondriny, amin'ny herin'ny Tompo, amin'ny fiandrianan'ny anaran'ny Tompo Andriamaniny; ary handry fahizay ny olona, fa ho lehibe izy amin'izay hatrany amin'ny faran'ny tany.
Izy no ho fiadanana. Rahefa ho tonga eto amin'ny tanintsika ny Asiriana, ka hanitsaka ny lapantsika ny tongony, dia hanangana mpiandry ondry fito isika, hamely azy, sy mpanapaka ny vahoaka valo.]]></description>
Talata 8 Septambra : Salamo 13(12),6ab.6cd. 
<description><![CDATA[Raha izaho, dia ny hatsaram-ponao no itokiako; ny famonjenao no hientanan'ny foko, hihira ho an'ny Tompo aho, noho ny soa nataony tamiko.
Talata 8 Septambra : Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 1,1-16.18-23. 
<description><![CDATA[Filazana ny razan'i Jesoa-Kristy, Zanak'i Davida, Zanak'i Abrahama.
Abrahama niteraka an'Isaaka; Isaaka niteraka an'i Jakoba; Jakoba niteraka an'i Jodà mirahalahy avy;
Joda niteraka an'i Faresa sy Zara tamin'i Tamara; Faresa niteraka an'i Esrona; Esrona niteraka an'i Arama;
Arama niteraka an'i Aminadaba; Aminadaba niteraka an'i Naasona; Naasona niteraka an'i Salmona;
Salmona niteraka an'i Booza tamin'i Rahaba; Booza niteraka an'i Obeda tamin'i Rota; Obeda niteraka an'i Jese; Jese niteraka an'i Davida mpanjaka.
Davida mpanjaka niteraka an'i Salomona tamin'ilay vadin'i Oria;
Salomona niteraka an'i Roboama; Roboama niteraka an'i Abiasa; Abiasa niteraka an'i Asà;
Asà niteraka an'i Josafata; Josafata niteraka an'i Jorama; Jorama niteraka an'i Oziasa;
Oziasa niteraka an'i Joatama; Joatama niteraka an'i Akaza; Akaza niteraka an'i Ezekiasa;
Ezekiasa niteraka an'i Manase; Manase niteraka an'i Amona; Amona niteraka an'i Josiasa;
Josiasa niteraka an'i Jekoniasa mirahalahy avy, tamin'ny andro nifindrana tany Babilona.
Ary rahefa nifindra tany Babilona, Jekoniasa niteraka an'i Salatiela; Salatiela niteraka an'i Zorobabela;
Zorobabela niteraka an'i Abioda; Abioda niteraka an'i Eliakima; Eliakima niteraka an'i Azora;
Azora niteraka an'i Sadoka; Sadoka niteraka an'i Akima; Akima niteraka an'i Elioda;
Elioda niteraka an'i Eleazara; Eleazara niteraka an'i Matana; Matana niteraka an'i Jakoba;
ary Jakoba niteraka an'i Josefa vadin'i Maria izay niteraka an'i Jesoa, ilay atao hoe Kristy.
Ary toy izao no nahaterahan'ny Kristy: Maria reniny dia efa fofombadin'i Josefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanan'anaka avy tamin'ny Fanahy Masina izy.
Ary Josefa vadiny, noho izy lehilahy marina sady tsy ta-hanala baràka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy, tamin'ny nofy, ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina,
ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe Jesoa, fa izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany.
Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe:
Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe, amintsika Andriamanitra.]]></description>
Alatsinainy 7 Septambra : Taratasy Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana 5,1-8. 
<description><![CDATA[Re laza tsy leo dina fa misy fahalotoana atý aminareo, sady fahalotoana tsy fahita na dia any amin'ny jentily aza, dia olona anankiray manambady ny vadin-drainy!
Izany ve ka hianareo indray no miavonavona e! ny tenanareo tsy malahelo amin'izany akory; ilay nanao izany tsy nesorinareo tsy ho eo aminareo koa.
Izaho, na dia tsy teo aminareo amam-batana aza, dia teo am-panahy, sy efa nitsara sahady an'ilay nanao izany zavatra izany, toy ny teo aminareo ihany.
Koa amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika eo am-pivorianareo rehetra sy ny fanahiko eo afovoanareo, omban'ny herin'i Jesoa Tompontsika:
dia aoka izany olona izany hatolotra an'i Satana, mba ho simba ny vatany, fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin'ny andron'ny Tompo.
Tsy mety lahy ny nireharehanareo lozan-tany erý! Tsy fantatrareo angaha fa lalivay kely foana dia mampibonaka ny vongan-dafarina manontolo?
Esory re ny lalivay ela, mba ho vongana vaovao hianareo, sady efa mofo tsy misy lalivay rahateo hianareo, satria efa voavono ny Kristy, izay Paka ho antsika.
Koa aoka àry isika hankalaza ny fety, tsy amin'ny lalivay ela, na amin'ny lalivaim-paharatsiana aman-dolom-po, fa amin'ny mofo tsy misy lalivay, dia ny fahadiovam-po amam-pahamarinana izany.]]></description>
Alatsinainy 7 Septambra : Salamo 5,5-6.7.12. 
<description><![CDATA[Fa hianao tsy mba Andriamanitra mankasitraka ny ratsy; ny mpanota tsy afaka hiara-kitoetra aminao.
Ny adala tsy mety haharitra eo imasonao; ny mpanao ratsy halanao avokoa.
Ny mpiteny lainga aringanao; ny mpandatsa-dra amam-pamitaka, halan'ny Tompo.
Dia hifaly kosa izay rehetra miantehitra aminao; hafaliana tsy mety tapaka no azy; dia hiaro azy hianao; hibitabitaka amin-kafaliana izay tia ny anaranao.]]></description>
Alatsinainy 7 Septambra : Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 6,6-11. 
<description><![CDATA[Indray sabata hafa koa dia niditra tao amin'ny sinagoga izy ka nampianatra, ary nisy lehilay anankiray maty tànana an-kavanana teo.
Tamin'izay dia nitsikilo azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana na hanasitrana amin'ny andro sabata izy na tsia, mba hahitany antony hiampangana azy.
Fa fantatr'i Jesoa kosa ny hevitr'izy ireo, ka hoy izy tamin'ilay maty tànana: Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana ilay io ka nijoro,
ary hoy Jesoa tamin'izy ireo: Manontany anareo aho, inona no mety hatao amin'ny sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy; ny mamonjy aina sa ny manala aina?
Dia noherikerehiny nojerena daholo izy rehetra teo ka hoy izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tànanao. Dia nahinjiny ka sitrana terý ny tànany.
Fa iretsy kosa safotry ny hatezerana, ka nioko ny amin'izay hanaovany an'i Jesoa.]]></description>
Alahady 6 Septambra : Bokin'i Ezekiela 33,7-9. 
<description><![CDATA[Koa hianao, ry zanak'olona, no efa notendreko ho mpitily, ho an'ny taranak'Israely, ary rahefa mandre teny aloaky ny vavako hianao dia hanaitra azy amin'ny anarako.
Raha niteny aho nilaza tamin'ny ratsy fanahy hoe: Ho faty marina hianao, ry ilay ratsy fanahy, ka tsy miteny hianao, hananatra ny ratsy fanahy hiala amin'ny làlany, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay io, noho izy ratsy fanahy, nefa hadiniko aminao ny rany.
Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa hianao, hialany amin'ny làlany, fa izy no tsy mety miala amin'ny làlany, dia ho faty ao amin'ny helony, fa hianao kosa hahavonjy ny fanahinao.]]></description>
Alahady 6 Septambra : Salamo 95(94),1-2.6-7.8-9. 
<description><![CDATA[Avia hihira amim-piravoravoana ho an'ny Tompo! Manaova hobim-pifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika!
Andeha isika hitsena azy amin'ny fiderana; aoka hampireondreona hira fankalazana azy isika.
Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka isika; mandohaliha eo anatrehan'ny Tompo Mpahary antsika.
Fa izy no Andriamanitsika, ary isika dia vahoaka eo am-balany, andian'ondry entin'ny tànany.
Aza manamafy ny fonareo, toy ny tany Meribà, tahaka ny tamin'ny andro tao Masà, tany an'efitra,
izay nakan'ny razanareo fanahy ahy, sy nizahany toetra ahy, na dia efa nahita ny asako aza izy ireo.]]></description>
Alahady 6 Septambra : Taratasin'i Md. Paoly Apostoly ho an'ny Romana 13,8-10. 
<description><![CDATA[Aoka tsy hisy hanan-trosa aminareo, afa-tsy ny fifankatiavana; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
Satria ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza miampanga lainga, aza mitsiriri-javatr'olona, mbamin'ny didy hafa rehetra, dia voalaza fohy ao amin'ny teny hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana, ka dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany.]]></description>
Alahady 6 Septambra : Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 18,15-20. 
<description><![CDATA[Ary raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatòna azy; ka rahefa mitokana hianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon'ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.
Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin'ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny jentily sy ny poblikàna.
Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etý ambonin'ny tany dia ho voafehy any an-danitra; ary na na inona na inona hovahanareo etý ambonin'ny tany dia ho voavaha any an-danitra.
Ary izao koa no lazaiko aminareo: raha misy roa aminareo mifanaiky etý ambonin'ny tany, na inona na inona angatahiny, dia ho azony avy amin'ny Raiko izay any an-danitra izany.
Fa na aiza na aiza iangonan'ny olona roa na telo amin'ny anarako, dia eo afovoany aho.]]></description>